<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>808</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Eo an-tratranao, Jesosy,
 Dia mahafinaritra
 Fa ny hafa mampahory
 Ka tsy mahasambatra.
 Raha Hianao no aro,
 Afaka ny tahotro,
 Raiso ho Anao ny foko,
 Ry Jesosy tia ô !

[V2]
 Mampifaly ahy koa,
 Jeso, ny fitianao ;
 Zara mamiko tokoa
 Izany ampofoinao ;
 Na matory na mifoha ;
 Dia eo an-tratranao ;
 Ry Mpamonjy Tompo soa,
 Hoderaiko Hianao.

[V3]
 Izaho tena tsy tamana,
 Raha lavitra Anao,
 Fa mitebiteby lava
 Izay tsy eo akaikinao.
 Eo an-tratranao, Jesosy,
 Tsara hitoerako ;
 Eo ihany e no misy
 Zava-tsoa mahafa-po.</lyrics>
<title>Eo an-tratranao Jesosy FFPM808</title>
<author>A.C. Rutstrom</author>
</song>